Ardasira I

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sary sokitra maneho ny nametrahan'ny andriamanitra Ahora Mazda an'i Ardasira I eo amin'ny fitondrana.

I Ardasira I dia mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 224 hatramin'ny taona 241 izay nanorina ny fianakavia-mpanjaka sasanida, sady zafikelin'i Sasàna.

Teraka tao amin'ny tanàna kely iray ao akaikin'i Istakra (akaikin'i Persepolisy, ao Farsa) i Ardasira I. I Papàka mpanjakan'i Kira (Khir), izay nanompo ny mpanjakan'i Istakara, izay mpanompon'ny "mpanjaka lehibe" Artabàna IV (arsakida) izy. I Rôdaka no anaran-dreninyn araka ny sora-tsokitra nampanaovin'i Sapora I zanany.

Mety hantsoina hoe Ardesira, Ardasera, Ardasesy, Artakserksesy na Artakserka I koa izy. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Αρταξέρξης / Artakserksês koa.

Rehefa maty ny rainy tamin'ny taona 212 dia nandimby azy i Ardasira I ka natao governoran'i Darabgerda (i Darab, any Iràna ankehitriny). Namono ireo rahalahiny izy, niady tamin'ireo mpanjaka madinika mpifanolo-bodirindrina taminy izy (taona 211-212) ka tamin'ny taona 224 dia voaongany koa ny "mpanjaka lehibe" Artabàna V (nanjaka tamin'ny taona 213 hatramin'ny 224), nandritra ny ady nifanaovany taminy tao Hôrmoza. Niantso tena ho Sāhān Sāh ("mpanjakan'ny mpanjaka", izany hoe emperora) i Ardasira I taty aoriana ka nantsoina hoe DariArdachir (izany hoe "Dariosy-Ardasira") sady niezaka namerina indray ny firaisan'ny Empira persiana araka ny fomban'ny Akemenida tamin'ny Andro Taloha. Nataony fivavaham-panjakana ny mazdeisma ka nanorina renivohitra vaovao izy, dia i Ktesifôna, izay miorina eo amoron'i Tigrisy sy teo amin'ny niorenan'ny Seleokia. Tamin'ny faramparan'ny andro niainany i Ardasira I dia nitondra tafika niady matetika tyamin'ny Empira rômana nefa tsy nahita fahombiazana. Nandimby azy i Sapôra I zanany. Nohajaina sahala amin'ny andriamanitra i Ardasira I fahavelony, ka taty aoriana dia nanjary olo-malaza teo amin'ny angano sy fedrà persàna.