Aller au contenu

Maleziana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sanan' i Malezia

Ny Maleziana dia ny olom-pirenen' i Malezia. Na dia ny olom-pirenena no maro anisa amin' ny Maleziana, ny mponina tsy olom-pirenena dia mety hilaza ny maha Maleziana azy ihany koa. Amin' ny fiteny maley dia atao hoe Orang Malaysia izy ireo.

I Malezia dia fonenan' ny olona avy amin' ny firenena sy foko ary fivavahana samihafa. Vokatr' izany dia maro ny Maleziana no tsy mampitovy ny maha olom-pirenena amin' ny maha mpikambana amina foko azy. Ny ankabeazan' ny mponina anefa dia avy amin' ny firazanana voafaritra mazava ao amin' ilay firenena sady samy manana ny kolontsainy sy ny fomban-drazany manokana: Maley, mponina teratany voalohany (Orang Asli), Sinoa Maleziana (indrindra ny Sinoa Hana sy Peranakana), Indiana Maleziana (indrindra fa ny Tamily ​​sy Tsity any Azia Atsimo). Ny ankamaroan' ny mponina tsy maley sy tsy teratany voalohany any Malezia ankehitriny dia mpifindra monina sy ny taranany. Taorian' ny vanim-potoana voalohan' ny fanjanahan-tany pôrtogey sy neerlandey ary avy eo britanika izay naharitra kokoa, onjam-pifindra-monina samihafa (na tampony) sy ny fiorenam-ponenan' ireo tsy teratany voalohany nandritra ny taonjato dimy ary mbola mitohy ankehitriny.

Nitombo tsikelikely ny fahaleovantenan' i Malezia amin' ny Fanjakana Mitambatra izay nanomboka tamin' ny taona 1957 nandritra ny tapany farany tamin' ny taonjato faha-20 hatramin' ny nananganana ny Federasiônan' i Malezia tamin' ny taona 1948 (tsy anisan' izany i Singaporo sy i Borneo Avaratra ary i Sarawak). Ny Ady Lehibe Faharoa indrindraindrindra dia niteraka faniriana teo amin' ny Maleziana mba hanekena ny tanindrazany ho fanjakana manana fiandrianana feno sady ahitana vahoaka manana zom-pirenena miavaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]