Hana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy sy lehilahy sinola manao fitafiana nentim-paharazana hana atao hoe hanfu.

Ny Hana dia foko "ara-tantara" maro anisa any Sina sy amin' ny faritany sinoa rehetra, avy amin' ny foko hoasia (Huaxia) fahiny. Amin' ny teny sinoa izy ireo dia ato hoe 汉 na 漢 / hàn. Nitondra ny anarana hoe Hana (Han) izy io tamin' ny andron' ny tarana-mpanjaka Hana (taona 206 tal. J.K. ka hatramin' ny 220 taor. J.K.), ary nitohy hatrany io anarana io.

Ny Hana no voalohany nahomby tamin' ny fanambarana an' i Sina teo ambany fanapahan' ny tarana-mpanjaka Hana, izay nahitana ireo emperorany nanangana ny kolontsaina sinoa nandritra ny fotoana maharitra, hany ka ny Sinoa ankehitriny dia miantso ny tenany ho "olon' ny Hana".

Ny Hana dia manodidina ny 93 % amin' ny mponin' ilay firenena, izany hoe manodidina ny 1 lavitrisa. Avy any Môngôlia izy ireo. Tsy azo atao ny manao firesahana azy ireo amn' ny fomba ankapobeny noho ny fahasamihafan' ny fomba amam-panaony sy ny fiteniny ary ny tontolo voajanahary misy azy ireo.

Ny Hana no vahoaka na vondrom-poko lehibe indrindra eran-tany. Noho ny hamaroany ao Sina dia heverina, noho ny tsy fahalalana na fanararaotam-piteny, ho ny "vahoaka sinoa" manontolo izy ireo, ka izany dia manala ny foko maro hafa ao Sina. Toy izany koa, amin' ny fitenenan' ny Tandrefana, ny teny hoe "Sinoa" sy "kolontsaina sinoa" dia ampitovina avy hatrany amin' ny hoe "Hana" sy "kolontsaina hana".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]