Majles (Iràna)

Avy amin'i Wikipedia
Fitombo-kasen' ny Majles

Ny Majles na Antenimiera Fakan-kevitra Islamika, izay antsoina koa hoe Parlemanta Iraniana na Antenilmiera Iraniana, dia rafitra mpanao lalàna ao Iràna. Amin' ny teny persiana dia atao hoe: مجلس شورای اسلامی / Majles-e Showrā-ye Eslāmī na Majles fotsiny ity antenimiera ity.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny Majles no Antenimieram-pirenen' i Persia, ary avy eo an' i Iràna, tamin' ny taona 1906 ka hatramin' ny 1979, manampy azy ny Antenimieran-doholona.

Tamin' ny vanim-potoanan' ny Revôlisiônan' ny Lalàm-panorenana no namaritana voalohany ny anjara andraikitry ny Antenimiera voafidy, izay nampitondraina ny anarana hoe Majles, ao amin' ny rafitry ny lalàm-panorenana. Ny manana fahefana hisolo tena ny olom-pirenen' i Iràn sy ny fankatoavana ny mpikambana ao amin' ny governemanta ary ny famerana ny fahefan' ny mpanjaka (shah) izy. Ny fankatoavan' ny Majles dia tena ilaina rehefa atao sonia ny fifanarahana na findramam-bola avy any ivelany.

Taorian' ny Revôlisiôna Islamika tamin' ny taona 1979, rehefa lasa tokana ny Antenimiera Iraniana, dia ny Majles irery no rafitra mpanao lalàna, izay namptondraina ny anarana hoe مجلس شورای اسلامی / Majles-e Showrā-ye Eslāmī ("Antenimiera Fakan-kevitra Islamika"). 270 ny solombavam-bahoaka teo aloha, 290 izao, nanomboka tamin' ny fifidianana tamin' ny 18 febroary 2000.

Fomba fifidianana[hanova | hanova ny fango]

Ny solombavam-bahoaka miisa 290 ao amin' ny Antenimiera Iraniana dia fidina amin' ny fifidianana mivantana andraisan' ny olom-pirenena rehetra manan-jo hifidy, mba hiasa mandritra ny efa-taona. Toerana dimy no atokana ho an' ny solon-tenan' ny fivavahana ara-dalàna misy mpino vitsy an' isa: ny Zôrôastriana, ny Jiosy, ny Kristiana Kaldeana ary ny Armeniana (toerana iray ho an' ny Kristiana Armeniana any amin' ny faritra avaratra, ary iray ho an' ireo any atsimo).

Ny solombavam-bahoaka 285 ambiny dia lanina amin' ny latsa-baton' ny maro an' isa misy fihodinana roa any amin' ny fari-pifidianana miisa 207 manana solombavam-bahoaka tokana na maro arakaraka ny isan' ny mponina ao aminy. Mifanojo amin' ny prefektiora (na kômte) iray na maromaro ao amin' ilay firenena ireo fari-pifidianana manana solombavam-bahoaka maro ireo. Ny fari-pifidianana misy mpikambana be indrindra amin' ny isan' ny toerana (30) dia ilay manakambana ny prefektioran' i Tehran, ny an' i Ray, ny an' i Shemiran, ny an' i Eslamchahr ary ny an' i Pardis.

Any amin' ny fari-pifidianana misy mpikambana tokana, dia lany ny kandidà mitana ny laharana voalohany raha mihoatra ny 25 %n' ny vato manankery ny vato azony. Raha tsy tratra izany dia atao ny fihodinana faharoa eo amin' ny kandidà roa nahazo vato maro indrindra, ary izay mahazo vato be indrindra no ambara fa lany. Any amin' ny fari-pifidianana maro, ny mpifidy no mifidy hamenoana izay mety ho isan' ny toerana tokony hofenoina, ary izay tafavoaka voalohany no lany raha mahazo vato maherin' ny 25 % ihany koa. Raha tsy izany dia atao ny fihodinana faharoa ka ny kandidà mahazo laharana aloha teo amin' ny fihodinana voalohany ihany no afaka mandray anjara ao anatin' ny fetra avo roa heny noho ny isan' ny toerana tokony hofenoina, ary izay mahazo vato be indrindra no lany. Raha toa ka tsy ampy ny kandidà hikarakara fihodinana faharoa amin' io taha kandida/toerana roa ho an' ny iray io dia heverina ho manan-kery ny fihodinana voalohany ary voafidy ny kandidà mitana laharana aloha.

Fomba fiasa[hanova | hanova ny fango]

Trano fivorian' ny Majles

Manana fahefana handany ny lalàna, hankatoa na hanongana ny fahefana mpanatanteraka, anisan' izany ny Filoham-pirenena ny Antenimiera Iraniana. Raha toa ka mila fanazavana avy amin' ny filohan' ny Repoblika ny ampahatelon' ny solombavam-bahoaka, dia tsy maintsy mitondra fanazavana eo anatrehan' ny Antenimiera ao anatin' ny iray volana ny filoham-pirenena. Raha mandà ny fitokisana azy ny roa ampahatelon' ny solombavam-bahoaka, dia ampahafantarina ny Mpitarika ny Revôlisiôna izany mba handraisan' ity farany fanapahan-kevitra hanaisotra azy, raha ilaina izany. Na izany aza, io fahefana mpanao lalàna io dia ampiasaina eo ambany fanaraha-mason' ny Filan-kevitry ny Mpiambina, ary amin' ny farany eo ambany fanaraha-mason' ny Filan-kevitry ny Fanavahana ny Tombontsoa Ambonin' ny Fitondrana, izay afaka mandray ny fahefana mpanao lalàna amin' ny toe-javatra manokana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]