Literatiora jôhanika

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' i Md Joany Evanjelista nataon' ny Kristiana siriaka tamin' ny taonjato faha-6.

Ny literatiora jôhanika na vondron-dahatsoratra jôhanika dia andian-tsoratra dimy avy ao amin' ny Testamenta Vaovao izay ambaran' ny lovantsofina kristiana hatramin' ny Andro Taloha fa nosoratan' i Joany zanak' i Zebedeo, iray amin' ireo mpianatr' i Jesoa, na i Joany Evanjelista na ny sekoly jôhanika. Ireo boky ireo dia:

Nolavin' ny mpahay tantara ankehitriny ny fiheverana an' i Joany zanak' i Zebedeo (na Jaona zanak' i Zebedio) ho nanoratra ireo boky ireo. Ilay filazantsara sy ny taratasy na epistily telo dia ao amin' ny lova iray ihany, ary mety ho nosoratana tao amin' ny vondrom-piarahamonina kristiana iray manokana, antsoina hoe sekoly jôhanika, tanelanelan' ny taona 60 sy110. Ny Apôkalipsy dia misy fitoviana sy tsy fitoviana amin' ny lahatsoratra efatra hafa, ary ny fanoratana azy tao anatin' ny lova iray ihany dia iadian-kevitra.

Miezaka mamerina ny tantaran' ity vondrom-piarahamonina jôhanika ity amin' ny mety tokony ho izy amin' ny alalan' ireo lahatsoratra ireo ny mpahay tantara.

Amin' ireo boky dimy ireo, ny hany tokana milaza mazava tsara ny mpanoratra azy ho i "Joany" nr "Jaona" (amin' ny teny grika: Ἰωάννης / Iōannēs) dia ny Apôkalipsy. Ny manam-pahaizana yankehtriny amin' ny ankapobeny dia mandà ny fiheverana fa nosoratan' ny mpanoratra mitovy amin' ny nanoratra ny lahatsoratra efatra hafa ity boky ity. Ilay filazantsara dia manondro ny mpanoratra azy ho "ilay mpianatra tian' i Jesoa", izay matetika antsoina amin' ny hoe Joany Evanjelista nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato voalohany.

Ny manam-pahaizana dia niady hevitra momba ny mpanoratra ny literatiora jôhanika nanomboka tamin' ny taonjato fahatelo fara fahatarany, indrindra fa hatramin' ny Taonjaton' ny Fahazavana. Ny maha-mpanoratra an' i Joany Apôstôly dia lavin' ny manam-pahaizana maro.*

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]