Aller au contenu

Palinuridae

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Langosta)
Langosta

Ny Palinuridae, izay atao andavanandro hoe langosta, dia fianakaviam-biby anaty rano, folo rantsam-batana (Decapoda), fihinana, misy karazana 60 eo ho eo. Hita any amin' ny ranomasina amin' ny toetanin-janam-pehintany sy toetany antonony rehetra ny langosta, eny amin' ny fanambanin' ny haran-dranomasina sy be vato amin' ny halalina 1 ka hatramin' ny 50 m.

Tsy manana tanana fiketohana lehibe izy (fa karazana hoho kely amin' ny tongony). Manana tandrola lava be izy ary misy akorany misy tsilotsilo. Ny rano somary mafana no tiany (toy ny any amin' ny Ranomasimbe Indiana na Ranomasina Karaiba). Matetika izy io dia mena-manja. Mifantoka kokoa any amin' ny rambony ny nofony.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]

Biby somary lehibebe ihany izy ireo (ampolony santimetatra hatramin' ny 40 sm rehefa lehibe) miavaka noho ny fananany vatana lava, tandroka lava misy tsilotsilo ary fiketohana tena kely saika tsy misy.

Biby mpiremby amin' ny alina izy ireo, ka mihaza zavamananaina bitika miaina any ambanin' ny ranomasina, ary mihinana fako ôrganika indraindray. Rehefa antoandro dia miafina ao anaty triatra ny lanngosta, izay mampipoitra ny tandrony avy ao.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fitambarany dia vondron-karazana na sokajy 12 no fantatra fa mbola misy, izay mitsinjara amin' ny karazana velona 60 eo ho eo:

  • Jasus Parker, 1883
  • Justitia Holthuis, 1946
  • Linuparus White, 1847
  • Nupalirus Kubo, 1955
  • Palibythus Davie, 1990
  • Palinurellus De Man, 1881
  • Palinurus Weber, 1795
  • Palinustus A. Milne-Edwards, 1880
  • Panulirus White, 1847
  • Projasus George and Grindley, 1964
  • Puerulus Ortmann, 1897
  • Sagmariasus Holthuis, 1991

Ny karazana ao amin' ny vondrona Panulirus no fahita eto Madagasikara: Panulirus homarus, Panulirus versicolor, Panulirus longipes, Panulirus penicillatus, Panulirus ornatus.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]