Aller au contenu

Lalàn' Andriamanitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny lalàn' Andriamanitra na lalàn' ny andriamanitra dia fitambaran-dalàna izay heverina ho avy amin' ny loharano mihoadraha, toy ny sitrapon' Andriamanitra na ny sitrapon' ny andriamanitra - mifanohitra amin' ny lalàna nataon' olombelona na ny lalàna laîka. Araka ny voalazan' i Angelos Chaniotis sy i Rudolph F. Peters dia heverina ho ambony noho ny lalàna nataon' olombelona ny lalàn' Andriamanitra, ​​indraindray noho ny fiheverana fa manana fahefana mihoatra noho ny fahalalan' olombelona sy ny sain' olombelona ny loharano nipoiran' io lalàna io. Mety hanome azy io fahefana lehibe kokoa noho ny lalàna hafa ny mpino ny fisian' ny lalàn' Andriamanitra (na ny lalàn' ny andriamanitra), ohatra amin' ny fiheverana fa tsy misy fahefan' olombelona afaka manova ny lalàn' Andriamanitra.

Araka ny voalazan' i Chaniotis, ny lalàn' Andriamanitra dia miavaka noho izy ireo miseho ho toy ny tsy miovaova. Olana iray mampiady hevitra ny fampidirana ny lalàn' Andriamanitra na ny lalàn' ny andriamanitra ao amin' ny fanakarana, satria manome lanjany lehibe ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ilay lalàna ny mpino. Mazàna ny mpanohitra ny fampiharana ny lalàn' Andriamanitra na ny ny lalàn' ny andriamanitra no mandà ny maha avy amin' Andriamanitra fotsiny an' izany sady manantitra fa misy hevitr' olombelona tafiditra ao amin' ilay lalàna. Mamaritra io lalàna io ho an' ny kolontsaina manokana ireto mpanohitra ireto. Mifanohitra amin' izany kosa, tsy marisika ny hampifanaraka ny lalàn' Andriamanitra izay tsy miova amin' ny toe-javatra ara-kolontsaina ny mpomba ny lalàn' Andriamanitra.

Nihevitra ny fisian' ny karazana lalàna telo ny kristianisma tamin' ny Andro Antenatenany: ny lalàn' Andriamanitra (latina: jus divinum) sy ny lalàna voajanahary (latina: jus naturale) ary ny lalàna nataon' olombelona. Niady hevitra be momba ny sehatra ahafahan' ny lalàna voajanahary miasa ny teôlôjiana, ny filôzôfan' ny Taonjaton' ny Fahazavana kosa namporisika ny fampiasana bebe kokoa ny saina ary nanitatra ny sehatra ahafahan' ny lalàna voajanahary miasa sady nanilika ny lalàn' Andriamanitra tao amin' ny dingana fampanjakana ny sekiolarisma. Miorim-paka ao amin' ny loharanony ny fahefan' ny lalàn' Andriamanitra, noho izany dia zava-dehibe ny niandohany sy ny tantaran' ny fampitana azy.

Mipoitra matetika ny fifandirana eo amin' ny fahatakarana tsy ara-pivavahana momba ny rariny na ny fitondran-tena andaniny sy ny lalàn' Andriamanitra ankilany.

Ahitana ny lalàn' Andriamanitra sy fandikana azy io fanampiny, fanitarana lôjika ary lovam-pampianarana ny ao amin' ny lalàna ara-pivavahana, toy ny Lalàna Kanônika.