Kublai Khan
Kublai Khan | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Kublai Khan | ||
Teraka | 23 Septambra 1215 | ||
Maty | 18 Febroary 1294 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Mongolia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I Kublai Khan, izay teraka tamin' ny 23 Septambra 1215 ary maty tamin' ny 18 Febroary 1294 tao Beijing, dia khagan môngôly, avy eo, nitondra ny anarana hoe Shizu, no emperora voalohan' i Sina tamin' ny tarana-mpanjaka Yuan. Zafikelin' i Genghis Khan (1160 - 1227), dia teraka tamin' ny taona nakan' ny Môngôly an' i Beijing (na Pekin). Tamin' ny taona 1260 izy no nandimby ny rahalahiny Möngke ho khan lehiben' ny Môngôly. Tamin’ ny taona 1276 dia nahazo ny tombokase lehiben' ny Empira Sinoa avy tamin' ny emprora vavy mpandova vady an' ny Song Atsimo izay nanjaka tao Hangzhou. Ny tena ahafantaran' ny Tandrefana azy dia ny bokin' i Marco Polo, izay nipetraka tao an-dapany nandritra ny fito ambin' ny folo taona, niasa ho “iraky ny emperora”.
Ny fiainany manokana
[hanova | hanova ny fango]I Tolui no rainy. Ny vadiny dia i Chabi sy i Nambui. Ny zanany dia i Dorji i Zhenjin ary i Tamachi.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: [1]