Kisy (vahoaka ao Ginea)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Kisy dia vondrom-poko ao Afrika Andrefana, izay vondrona fahefatra lehibe indrindra ao Ginea, mandrafitra ny 6,2 % amin' ny mponina. Hita any Liberià sy Siera Leôna koa ny Kisy. Miteny ny fiteny kisy izy ireo, izay anisan' ny sampam-piteny mela (mel) ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.

Ny Kisy dia malaza amin' ny fanaovana harona. Nalaza tamin’ ny fahaizany manefy vy koa izy ireo taloha, satria nanana tahiry vy be dia be ny faritra misy azy sy ny foko hafa mpifanolo-bodirindrina aminy. Ny Kisy mpanefy dia namokatra ny "vola kisy" malaza.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]