Kianjan' i Mahamasina

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Kianja Barea Mahamasina

Ny kianjan' i Mahamasina, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Kianja Barea Mahamasina, dia kianja ahafahana manatanteraka taranja ara-panatanjahan-tena maro, izay miorina ao Antananarivo, reivohitr' i Madagasikara, eo akaikin' ny farihin' Anosy. Afaka mandray mpijery miisa 40 880 io kianja io amin' ny fotoana ijeren' ny olona baolina kitra na Baolina lavalava ao.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny ao amin' ny toerana misy io kianja io dia misy vato masina araka ny finoana nentim-paharazana, ka izay no naha Mahamasina ny anaran' ilay toerana. Tao amin' io kianja io no nametrahana ny satro-boninhitry ny mpanjaka Radama II tamin' ny taona 1861. Tao Mahamasina no nanambaràn' i Philibert Tsiranana ny fahaleovan-tenan' i Madagasikara, tamin' ny 26 Jona 1960. Ao no anaovan' ireo filoham-pirenena nifandimby fianianana alohan' ny handraisan' izy ireo ny fahefana. Tao, ohatra, no nanaovan' ny filoham-pirenena Rajoelina fianianana tamin' ny fandraisany indroa ny fahefana tamin' ny 21 Marsa 2009 sy tamin' ny 19 Janoary 2019.