Karl Heinrich Graf

Avy amin'i Wikipedia

I Karl Heinrich Graf dia manam-pahaizana alemàna momba ny Testamenta Taloha sady mpahay ny sivilizasiônan' ny Tatsinanana. Teraka tao Mülhausen (Mulhouse ankehitriny) any Alsace tamin' ny 28 Febroary 1815 ary maty tamin' ny 16 Jolay 1869 tany Meissen any Saksônia (Sachs).

Nandalina ny famakafakana ny Baiboly sy ny fiteny tatsinanana tao amin' ny Oniversiten' i Strassburg teo ambany fitarihan' i Édouard Reuss izy, ary, rehefa avy nitazona toerana fampianarana isan-karazany, dia natao mpampianatra tamin' ny teny frantsay sy hebreo tao Landesschule any Meissen, ary nahazo ny anaram-boninahitra profesora tamin' ny taona 1852.

I Graf dia anisan' ny mpanorina ny fitsikerana ny Testamenta Taloha. Tao amin' ny asasoratra lehibe nataony, Die geschichtlichen Bücher des Alten Testaments (1866), dia niezaka nampiseho izy fa ny lalànan' ny mpisorona ao amin' ny Eksôdôsy sy ny Levitikosy ary ny Nomery dia nosoratana aorian' ny bokin' ny Deoterônômia. Na izany aza dia mbola nitazona ny fiheverana neken' ny olona tamin' izany fotoana izany izy, fa ny fitantarana elôhistika dia anisan' ny Grundschrift ka noho izany dia anisan' ny ampahany tranainy indrindra amin' ny Pentateoka.

Ny antony naroso hanoherana ny filazana fa ny lalànan' ny mpisorona sy ny fitantarana elôhistika dia nosarahan' ny 500 taona dia mafy loatra ka nahatonga an' i Graf, tao amin' ny lahatsoratra iray, Die sogenannte Grundschrift des Pentateuchs, navoaka taloha kelin' ny nahafatesany, mba hihevitra ny Grundschrift iray manontolo. ho taorian' ny sesitany sy ho ampahany farany amin' ny Pentateoka. Efa nasehon' i Reuss io hevitra io, nefa satria i Graf no voalohany nampiditra azy io tany Alemaina, dia nantsoina hoe petra-kevitra Graf-Wellhausen ilay rijan-kevitra, araka ny novolavolain' i Julius Wellhausen.

Nanoratra fandalinana an' i Jacques Lefèvre d'Étaples koa i Graf (Strassburg, 1842), Der Segen Moses Deut. 33 (1857) sy ny Der Prophet Jeremia erklärt (1862). Jereo ny T. K. Cheyne, Founders of Old Testament Criticism (1893); ary ny bokin' i Otto Pfleiderer nadikan' i J. F. Smith ho amin' ny teny anglisy ho Development of Theology (1890).