Julius Wellhausen

Avy amin'i Wikipedia
Julius Wellhausen

I Julius Wellhausen dia teôlôjianina prôtestanta izay niantraina be teo amin' ny fandalinana filôlôjika momba ny Testamenta Taloha. Teraka tamin' ny 17 Mey 1844 tao Hamelin ary maty tamin' ny 7 Janoary 1918 tao Göttingen.

Anisan' ny mpanorina ny fitsikerana mahery vaika ny Baiboly izy. I Wellhausen dia miampanga ny filazana ny maha ara-tantara ny ampahany betsaka amin' ny Baiboly ary tsy mahita ao afa-tsy fahatsiarovana tamin' ny vanim-potoana taty aoriana, indrindra fa ny momba ny "vanim-potoan' ny Mpanjaka". Ny asany dia mifototra amin' ny fomba fitsikerana lahatsoratra ny lahatsoratra avy amin' ny Andro Taloha. I Wellhausen no mpanoratra rijan-kevitra maromaro, anisan' izany ny petra-kevitra ara-tahirin-kevitra, izay naitatry ny mpianany Albrecht Alt sy Martin Noth manokana.