Karl Barth

Avy amin'i Wikipedia
Karl Barth
Ankapobeny
Anarana Karl Barth
Teraka 10 Mey 1886
Maty 10 Desambra 1968
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Soisa
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Karl Barth dia teolojiana protestanta mizaka ny zom-pirenen'i Soisa teraka ny 10 Mey 1886 ary maty ny 10 Desambra 1968. Isan'ireo teolojiana fanta-daza izy, ary heverina fa isan'ireo mpandinika fanta-daza tamin'ny taonjato faha-20. Ny teolojiany, izay niompana amin'ny fahotan'ny olombelona, ny fihoa-drahan' Andriamanitra, ny tsy fahafahan'ny olombelona mahalala an'Andriamanitra tsy amin'ny alalan'ny fanambaràn-tenan' Andriamanitra, dia antsona hoe "ortodoksia vaovao" na "neo-ortodoksia".

Nanohitra ny filozofian'ny fivavahana izy ka nanao izay hiverenana amin'ny foto-pampianaran'ny Reformasiona sy amin'ny Soratra Masina. Tsy heverin'i Karl Barth ho tena fanambaràn-tenan' Andriamanitra ara-bakiteny anefa ny Soratra Masina fa ho fitantarana izany fanambaràn-tena izany. Ny tena fanambaràn-tenan' Andriamanitra dia i Jesosy-Kristy, ka ny Fiangonana dia manana adidy hitory ny tenin'Andriamanitra sy hihaonan'ny olona amin'Andriamanitra. Nihoarany ny fizarazaran'ny fiangonana ka na dia ny teolojiana katolika aza, toa an'i Hans Urs von Balthasar (pretra katolika sy zezoita fanta-daza) sy ny i Henri Bouillard (mpampianatra teolojia sady zezoita), dia nandalina ny teolojian'i Karl Barth.

Anjatony ny boky nosoratan'i Karl Bart, ka ny lehibe indrindra amin'izany dia ny Kirchliche Dogmatik (1932-1967), na dia tsy voasoatra hatramin'ny farany aza.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.