Karemy Lehibe

Avy amin'i Wikipedia

Ny Karemy Lehibe na Karemy amin' ny fombam-pivavahana bizantina, dia vanim-potoana fifadian-kanina sy fandalinana ny finoana izay fanao ao amin' ny Kristianisma Tatsinanana - Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana sy Eglizy Katôlika Tatsinanana manaraka fomba bizantina. Ny Karemy Lehibe dia mitovy amin' ny fanaon' ny Fiangonana manaraka fombam-pivavahana grika-melkita sy ny grika-katôlika na oniata (Fiangonana manaraka fombam-pivavahana bizantina izay nanaiky ny fahambonian' ny Eglizy Katôlika Rômana, ary noho izany dia tsy heverin' ny fiangonana tatsinanana hafa ho toy ny Ôrtôdôksa).

Ny hevitry ny Karemy Lehibe dia tsy azo takarina raha tsy ny heverina ny fotoana iantefany: ny fetin' ny Paska. Ny fandraisana anjara amin' ny Karemy sy ny fanajana azy amim-pahatokiana dia manamarika ny maha zava-dehibe ny fetin' ny Paska ho an' ny Fiangonana. Raha ny marina dia mandritra ny fetin' ny Paska no ivorian' ny mpino betsaka indrindra any amin' ny firenena misy fiangonana manaraka fombam-pivavahana bizantina; io no fankalazana izay atrehin' ny maro indrindra, na dia ireo izay tsy mamonjy fiangonana matetika aza, mihoatra lavitra noho ny Krismasy na Noely (tsy tahaka ny fiangonana any amin' ny firenena tandrefana manaraka fombam-pivavahana katôlika).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]