Kônstantinôsy IX Mônômakôsy

Avy amin'i Wikipedia
Ny emperora Kônstantinôsy Mônômakôsy

I Kônstantinôsy IX Mônômakôsy dia emperoran' ny Empira Bizantina hatramin' ny Jona 1042 ka hatramin' ny Janoary 1055. Nofidin' ny emperora vavy Zôe Pôrfirôgenita ho vady sy mpiara-manapaka aminy izy tamin' ny taona 1042, na dia natao sesitany aza izy noho ny firaisana tsikombakomba hanao ratsy ny emperora Mikaela IV Paflagônianôsy, vadiny teo aloha. Nizara ny seza fiandrianana tamin' i Teôdôra Pôrfirôgenita rahavavin' i Zôe izy mivady. Maty tamin' ny taona 1050 i Zôe, ary nanohy ny fiaraha-miasa tamin' i Teôdôra i Kônstantinôsy mandra-pahafaty, dimy taona tatỳ aoriana. Atao hoe Κωνσταντῖνος Μονομάχος / Kōnstantinos IX Monomakhos;izy amin' ny teny grika. Teraka tamin' ny taona 980 na1000 izy ary maty tamin' ny 11 Janoary 1055).

Niady tamin' ny vondrona nahitana an' i Rosin' i Kiev sy ny Petsenega ary ny Tiorka Seljokida tany Atsinanana izy. Na dia teo aza ny fahombiazana samihafa tamin' ireo fitohana ady ireo, ny Empira Bizantina dia nitazona ny sisintany nofaritana taorian' ny fandresen' i Basileiôsy II, ary niitatra niantsinanana mihitsy aza izany rehefa nalain' i Kônstantinôy ny Fanjakana armenianan' i Ani, izay nanan-karena. Noho izany, i Kônstantinôsy dia azo heverina ho emperora farany nahomby teo amin' ny tanjaka fara tampon' i Bizantioma.

Tamin' ny taona 1054, talohan' ny nahafatesany, dia nitranga ny Fisaraham-bazana Lehibe teo amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana sy ny Eglizy Katôlika Rômana, ka niafara amin' ny fandroahan' ny papa Leô IX ny patriarka Mikaela Kerolariôsy. Fantatr’ i Kônstantinôsy ny voka-dratsy ara-pôlitika sy ara-pivavahana nateraky ny fisarahana toy izany, nefa tsy nisy vokany ny ezaka nataony mba hisorohana izany.