Kônsily tao Laodikea

Avy amin'i Wikipedia
Ny Kanônan' ny Kônsilin' i Laôdikea mipetraka ao amin' ny sisam-paharavan' ny fiangonana afovoany tany Laôdikea

Ny Kônsilin' i Laodikea na Kônsily tao Laôdikea na Sinôdan' i Laôdikea na Sinôdan' i Laôdikia dia kônsilim-paritra kristiana izay natao tamin' ny taona 364 tany Laôdikea (na Laôdikia), tanàn-dehiben' i Frigia, faritanin' i Azia Minora. Nekena ny fametrahana izany eo amin' ny taona 363-364.

Ny fiantsoana ny anaran' anjely ankoatra ny an' ny arkanjely telo Mikaela sy Gabriela ary Rafaela dia norarana mba hialana amin' ny fanao momba bt hatsarana (mazia) sy ny fanompoana sary. Nafindra ho amiçn' ny Alahady ny andro manetriketriky ny Sabata, ary ny fitandremana ny Sabata amin' ny Asabotsy, toy ny nataon’ ny Jiosy, dia voaozona (anatema).