Hankany amin'ny vontoatiny

Joseph Simon Gallieni

Avy amin'i Wikipedia
Joseph simon Gallieni
Ankapobeny
AnaranaJoseph simon Gallieni
Teraka24 aprily 1849
ToeranaSaint-Bëat-haute Garonne
Maty27 may 1916
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFrantsay
Asa :Miaramila
Asa hafaMpandraharaham-panjakana
Fiainana manokana

I Joseph Simon Gallieni, izay fantatra amin' ny hoe Jeneraly Gallieni, dia miaramila sady mpandraharam-panjakana mpanjanatany frantsay. Teraka tamin' ny 24 Avrily 1849 tao Saint-Béat ao Haute-Garonne sy maty tamin' ny 27 Mey 1916 tao Versailles. Nandray anjara be tamin' ny fanamafisana ny Empira Frantsay izy, indrindra taty Afrika, tamin' ny alalan' ny fomba feno habibiana izay tafapaka tamin' ny fara tampony tamin' ny fandringanana ny Menalamba teto Madagasikara. Vita ny asany nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nakarina ho amin' ny laharam-boninahitra maresaly izy taorian' ny nahafatesany tamin' ny taona 1921.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]