Johann Eck

Avy amin'i Wikipedia
Johann Eck.

I Johann Maier von Eck dia teôlojiana alemana teraka tamin' ny 13 Nôvambra 1486 tao Eck (anran' i Egg an der Günz taloha, akaikin' i Memmingen, 70 km atsimon' i Augsburg any Schwaben), mpanohitra an’ i Martin Lotera ary mpiaro ny katôlisisma nandritra ny fiandohan’ ny Fanavaozana Prôtestanta.

Mpampianatra tao amin’ ny Oniversiten’ i Ingolstadt izy nanomboka tamin’ ny 1510 izy ary nampianatra teôlojia tao. Mitana ny fivavahana taloha izy, ka fahavalo mahomby amin’ ireo refôrmatora. Nandray anjara manokana tamin' ny fifandirana natao tao Leipzig nifanoherany tamin' i Karlstadt sy Martin Lotera tamin' ny 1519 izy, tao Baden nifanoherany tamin' i Johannes Œcolampade tamin' ny 1526 ary tamin' ny fifampiraharahana tao Regensburg (frantsay: Ratisbonne) anoheraa an' i Philipp Melanchthon tamin' ny 1541. Ny asasoratra lehibe nataony, Enchiridion (1525), fanapbarana ny soratra momba ny "fahadisoan' ny finoana" notorin' ny mpombba ny refôrmasiona, no soratra katôlika niely be indrindra tamin' ny taonjato fah-16. I Eck dia nandray anjara lehibe tamin' ny famolavolana ny confutatio (ny fanoherana) izay valin' ny Confessio Augustana (Kônfesiôna Aogostana) natolotr' i Melanchthon ho an' ny fivoriambe nampanaovin' ny Emperora tao Augsburg tamin' ny 1530. Izy dia teôlôjiana malaza tamin' ny adihevitra teo anoloan' ny Kônsilin' i Tredentio.