Ioelemedena (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ioelemendena (Iwəlləmədǎn) na Oelemindena dia iray amin' ireo kônfederasiônan' ny fokom-pianakaviana toarega (ettebel) miisa fito lehibe niorina ao Sahel sy Sahara. Miteny amin' ny fiteny tamajeka izy ireo nefa misy koa ireo miteny amin' ny fiteny sôngay sy amin' ny fitenim-paritra arabo.

Vahoaka mpifindrafindra monina ara-tantara izy ireo ary nifangaro amin' ny vondrom-poko hafa. Ny Ioelemendena dia mipetraka amin' ny faritra midadasika manomboka any atsinanana sy avaratra afovoan' i Maly, mamakivaky ny lohasaha Azawagh, mankany avaratra-andrefana amin' i Nizera ary avy any atsimo mankany avaratra amin' i Nizerià.

Taloha izy ireo dia kônfederasiôna tokana misy fokom-pianakaviana toarega am-polony, nahitana olom-pehezina sy vondrona mpiara-dia, nefa nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 dia nizara ho kônfederasiona Kel Ataram (andrefana) sy Kel Dinnik (atsinanana) izy ireo. Taorian' ny fitondran' ny mpanjanatany sy ny fahaleovantena dia niampita ny sisintany manasaraka an' i Maly sy i Nizera ny tanindrazan' ny Ioelemendena, ary nampiely ny vondrom-piarahamonina Ioelemendena tany Borkina Fasô sy Nizerià koa ny lalan' ny fifindra-monina isam-pizaran-taona nentim-paharazana fanaony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]