Fiteny tamajeka

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tamajeka na fiteny taoelemeta dia fiteny toarega ampiasaina any atsinanana amin' i Maly sy any andrefana amin' i Nizera ary any avaratra amin' i Nizerià, ao amin' ny sampam-piteny berbera, ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika. Io no fiteny toarega manana mpiteny betsaka indrindra. Io no fitenin' ny Ioelemedena (Iwellemmeden). Olona 450 000 no miteny tamajeka any Nizera tamin’ ny taona 1998, raha 801 000 ny fitambarany maneran-tany.

Ny teny hoe tawallemet dia tsy ampiasain' ny mpiteny azy velively. Izy ireo dia manondro io fiteny io amin' ny hoe tamajeq. Ny hoe tawallemet dia teny ampiasain' ny Toarega hafa hilazana ny Ioelemedena mba hanavahana azy amin' ny anaran' ny fiteniny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ioelemedena (vahoaka)