Idriss Déby

Avy amin'i Wikipedia
Idriss Déby tamin' ny taona 2020.

I Idriss Déby dia mpitondra fanjakana tsadiana, izay lasa filohan' ny Repoblika hatramin' ny 4 Desambra 1990. Teraka tamin' ny 18 Jona 1952 tao Berdoba ao atsimon' i Fada any Tsady izy ary maty tamin' ny 20 Avrily 2021 tao N'Djaména. Tamin' ny 2 Desambra 1990 dia nesoriny teo amin' ny fitondrana i Hissène Habré, nanampy azy tamin' izany ny Frantsay. Nitondra ny anaram-boninahitra hoe "filohan' ny filan-kevi-panjakana" (frantsay; "président du Conseil d'Etat") izy tamin' izay. Notendrena ho filohan' ny Repoblikan' i Tsady izy tamin' ny 28 Febroary 1991 taorian' ny fankatoavana ny Dinam-pirenena (frantsay: "Chartre nationale"). Nandresy tamin' ireo fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 1996, 2001, 2006, 2011, 2016 ary 2021 izy. Tamin' ny 30 Janoary 2016 izy dia lany ho filohan' ny Vondrona Afrikana sy hanatanteraka ny asany ao mandritra ny iray taona ka nifarana tamin' ny taona 2017 ny fotoam-piasany. Ankehitriny izy dia isan' ireo mpitondra naharitra indrindra maneran-tany noho izy nitondra mihoatra ny 30 taona.

Tamin' ny taona 2020 izy dia notendrena ho maresalin' i Tsady taorian' ny fandresen' ny tafiny ny Boko Haram. Tsy ampy iray taona taty aoriana, taorian' ny fanambaràna ny fahalaniany ho filoham-pirenena fanindiminy, dia naratra teo amin' ny handriny izy vokatry ny fifanandrenana tamin' ny mpioko Front pour l’alternance et la concorde au Tchad (FACT) avy any Libia. Maty noho izany ratra izany izy tamin' ny faha-68 taonany. Ny zanany lahy Mahamat Idriss Déby no nandray ny fitondrana ka nitarika ny Conseil militaire de transition.