Hazo fijaliana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hazofijaliana)
Hazofijaliana latina

Ny hazo fijaliana na hazofijaliana na lakroà dia eva amantarana ny fivavahana kristiana amin' ny ankapobeny, izay heverina ho endriky ny fitaovana nanomboana an' i Kristy. Tamin' ny taonjato faha-4 no lasa eva sy famantarana ny fivavahana kristiana ny hazo fijaliana mitanam-bokovoko, izay noraisin' ny emperona Kônstantino Lehibe, araka ny lovantsofina, amin' ny endrika krisma (). Tamin' izany vanimpotoana izany sy taorian' ny nahitan' ny renin' ny emperora ny relikan' ny "Hazofijaliana Marina" (heverina fa ilay nanomboana an' i Kristy), araka ny lovantsofina, no nanombohan' ny fivavahana amin' ny hazofijaliana. Nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-5 dia nanomboka nanaingo ny trano fivavahana io famantarana io. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 dia tafaraka matetika amin' ny sary fanehoana an' i Kristy ny hazo fijaliana.


Jereo koa[hanova | hanova ny fango]