Aller au contenu

Hazo (zavamaniry)

Avy amin'i Wikipedia
Hazo maniry

Ny hazo dia zavamaniry misy vatany sy tahony misy rantsana misampantsampana mitondra vondron-dravina ary misy fakany misandrahaka sy lalina. Ny hazo dia zavamaniry maharitra an-taonany maro, am-polony taona maro, na an-jato taonany maromaro aza, ary, amin' ny tranga tsy fahita firy, an' arivony taona maro.

Araka ny tombantombana, misy karazany eo anelanelan' ny 60 000 sy 100 000 ny hazo. Efa ho 40 % amin' izy ireo no atahorana ho lany tamingana. Ny tombantombana vao haingana (PNAS, 2022) dia mitanisa karazana hazo manodidina ny 73 000, anisan' izany ny 9 000 mbola tsy voafari-toetra, ny ankamaroany dia maniry any amin' ny faritra mafana. Hazo maro no mandrafitra ala, izay fitambarana hazo maniry mifanakaiky. Ny hazo ihany koa dia afaka maniry mitokantokana any ivelan' ny ala (indrindra fa any amin' ny hivoka).

Manana anjara toerana lehibe amin' ny fampandehanana ny tontolo iainana eto an-tany ny hazo, noho ny fahafahany mitahiry karbônina, noho ny fandraisany anjara amin' ny tsingerin' ny rano ary noho izy ireo singa tena ilaina amin' ny ala izay tontolo iainana be pitsiny, loharano sady fialofan' ny zavamananaina isan-karazany. Loharanon-karena be ahazoana akora (indrindra ny akora hazo) sy sakafo (indrindra ny voankazo) ary asa maro samihafa ho an' ny olombelona koa ny hazo. Mitana toerana manan-danja izy ireo amin' ny ankamaroan' ny kolontsaina eran-tany, na amin' ny fampiharana na ara-tandindona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]