Haraz

Avy amin'i Wikipedia
Ny renirano Haraz ao amin'ny Kaontean' i Armol

I Haraz dia renirano mamakivaky ny Faritanin' i Mazandaran (na Mazendaran), any amin' ny tapany avaratr' i Iràna. Atao hoe رودخانه هراز izy amin' ny teny persiana. Mikoriana mianavaratra izy, manomboka eo amin' ny tandavan-tendrombohitra Alborz mankany amin' ny Ranomasina Kaspiana. Rehefa avy namakivaky ny Lalana Haraz (lalana lehibe any Iràna) sy ny Lohasahan' i Haraz ao ka mahavita 100 km eo ho eo ny reniranon' i Haraz, dia mivily eo afovoan' i Amol, izay mipaka any amin' ny Ranomasina Kaspiana.

Manomboka eo amin' ny Tendrombohitra Damavand i Haraz ary mikoriana mianavaratra sy mivarina any amin' ny Ranomasina Kaspiana ao amin' ny faritra eo anelanelan' ny tanàna roa avaratra, dia i Mahmoudabad sy i Fereydunkenar. I Haraz dia voaloto amin' izao fotoana izao noho ny fivoahan' ny rano avy nampiasaina amin' ny orinasa indostrialy isan-karazany.