Damavand (tendrombohitra)

Avy amin'i Wikipedia
Ny tendrombohitra Damavand amin' ny ririnina

I Damavand (persana: دماوند / Damāvand na Demavend) no tampon' ny afotroa avo indrindra ao Iràna. Mahatratra 5 610 m ny haavony, ao amin' ny tandava-tendrombohitra Alborz, 66 km avaratra-atsinanan' i Teheran no misy azy. Antsoina hoe Donbavand koa ilay tendrombohitra. Any akaikin' ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana no misy ny tampony, ao amin' ny departemantan' i Amol, faritanin' i Mazandaran. Ny fipoahana farany tamin' io afotroa io dia efa tany amin’ ny 7 300 taona mahery. Ny tanàna akaiky indrindra azy dia i Rineh, atsimon’ ilay tendrombohitra.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Na dia eo aza ny toerana misy an' i Damāvand amin' ny fedrà iraniana, dia tsy hita tao amin' ny sarintany izy ary tsy noresahin' ny mpandeha lavitra tandrefana toa an' i Jean Chardin na i Pietro Della Valle. Ny mpahay tantara sy ny jeôgrafa no tena nairesaka momba ny fiakarana voalohany voaporofo tamin’ ny taonjato faha-9 sy faha-10.

Araka ny lovantsofina iraniana, ity volkano ity dia niakarana tany amin' ny taona 850, fa ny fiakarana voalohany teny dia ny an' i Abu Dolaf Kasradji, tokony tamin' ny taona 905, ary nanaraka izany ny an' i Yaqut taonjato telo taty aoriana. Tamin’ ny taona 1837, i W. Taylor Thompson, tôpôgrafa, dia nianika azy io indray nandritra ny asany. Tamin’ ny taona 1843, dia tonga teny an-tampony i Karl Georg Theodor Kotschy, bôtanista aotrisiana. Nanomboka tamin' ny taona 1860 dia nanatanteraka fiakarana teny ny Britanika sy ny Prosiana.

Ao amin' ny kolontsaina iranana[hanova | hanova ny fango]

Ny tendrombohitra Damāvand dia manana ny toerany manokana ao amin' ny fedrà iraniana ary voalaza fa iray amin' ny toerana niambenan’ ny Sīmorgh (vorona mahagaga). Ao amin' ny lahatsoratra sy ny fedrà zôrôastriana amin' ny ankapobeny dia nofatorana rojo vy teo amin' ny tendrombohitra Damāvand ilay dragona manana loha telo atao hoe Aži Dahāka, izay voaheloka hijanona ao mandra-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao. Ao amin' ny endrik’ io fedrà io taty aoriana ihany dia nofatorana rojo vy tao anaty lava-bato teo amin' ny tendrombohitra Damāvand ilay mpanao jadona Zahhāk rehefa avy noresen’ i Kāveh sy Fereydūn.

Ao amin' ny Shah Nameh ("Bokin' ny Mpanjaka") dia voalaza fa manana hery mahagaga ilay tendrombohitra. Ao amin' ny tononkalo sy literatiora iraniana, i Damāvand no tandindon’ ny fanoherana ny mpitondra vahiny.

Ny fiakarana eny amin' ilay tendrombohitra[hanova | hanova ny fango]

I Damavand dia misy mianika tsy tapaka, na an-tongotra na amin’ ny sky, ary misy làlana enina ambin' ny folo farafahakeliny. Ny malaza indrindra dia ny lalana atsimo, izay misy toby an-tsasa-dalana eo amin' ny haavo 4 000 m. Ny fiakarana lava indrindra dia ny ao avaratra-atsinanana. Roa andro no ilaina mba hahatongavana any an-tampony avy eo amin' ny tanàna kelin' i Nāndal, izay andaniana alina ao amin' ny fialokalofana Takht-e Fereydoun (4 300 m). Ny lalana andrefana dia malaza noho ny fijery azo atao amin' ny filentehan' ny masoandro. Ity lalana ity dia manana fialokalofana iray hafa, antsoina hoe Sīmorgh, izay naorina vao haingana ary misy rihana roa.