Hanuman

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongana maneho an' i Hanuman ao Haladiagada, Kendrapada, Orissa, India.

Ao amin' ny hindoisma, i Hanumān dia vanara sy maherifon' ny Rāmāyaṇa, izay tantaran' ny dian' i Râma. Atao hoe हनुमान् / hanumân (midika hoe "be valanorano") izy amin' ny teny sanskrita. Zanakalahin' ny andriamanitry ny rivotra Vayu sy ny andriamanibavy Anjanâ izy, manana endrika rajako izy ary ny marimarina kokoa amin' ny rajako atao hoe langur manana tarehy mainty (Semnopithecus entellus). Voalaza fa matanjaka izy ka manainga tendrombohitra sy mamono demonia ary mpifaninana hafainganam-pandeha amin' i Garuda, vorona-fiaran' i Vishnu. Amin' ny hindoisma ankehitriny dia andriamanitra malaza any amin' ny tanàna ambahivohitra maro izy.