Aller au contenu

Goaikambazaha

Avy amin'i Wikipedia
Goaikambazaha
Atodin-goaikambazaha

Ny goaikambazaha, izay fantatra amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Corvus corax, dia karazam-borona ao amin' ny vondron-karazana Corvus izay ao fianakaviana Corvidae. Misy manerana ny ila-bolantany avaratra ny goaikambazaha, io no karazana Corvideae manana velaran-tany iparitahana midadasika indrindra. Ny goaikambazaha amin' ny ankapobeny dia velona 10 ka hatramin' ny 15 taona, fa nisy ny niaina 40 taona. Mety hivezivezy anaty vondrona ny goaikambazaha madinika fa miara-mitoetra mandritra ny androm-piainana ny goaikambazaha mpivady tsiroaroa, ka samy miaro anjara fizaràn-taniny. Zana-karazana valo no nofaritana miaraka amin' ny fahasamihafana kely; na izany aza, ny fanadihadiana vao haingana dia mampiseho fahasamihafana lehibe eo amin' ny fototarazo eo amin' ny mponina avy amin' ny faritra samihafa.

Ny goaikambazaha dia niara-nipetraka tamin' ny olombelona nandritra ny an' arivony taona ary amin' ny faritra sasany dia mahazatra loatra ka heverina ho zavamananaina mpanimba.

Faritra ahitana ny goaikambazaha

Anisan' ny fahombiazany ny tsy fifidianana zavatra ho hanina; ny goaikambazaha dia tena mpanararaotra, mihinana fatim-biby, bibikely, fakon-tsakafo, voamadinika, voaroy, voankazo, atody ary biby madinika. Tranga miavaka maro momba ny famahana olana no hita amin' ity karazana goaika ity, izay manambara fa ny goaikambazaha dia tena manan-tsaina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]