Goàna (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Goàna dia vahoaka monina saika manerana ny faritra rehetra ao Ganà, anisan' izany ny vahoaka Kratsy, ny Nkônia, ny Gônjà, ny Anoma, ny Larteha, ny Akpôsô, ny Navory ary ny Ntsomboro. Ny Goàna dia inoana fa mpifindra monina voalohany tao Ganà ankehitriny, nifindra monina avy any amin' ny faritr' i Môsy any Borkina Fasô ankehitriny manodidina ny taona 1 000. Ny fiteny goàna ao amin' ny fianakaviam-piteny nigerô-kôngôley no tena itenenan' izy ireo. Izy ireo no mandrafitra ny 3,7 % amin' ny mponina ao Ganà.