Gemarà

Avy amin'i Wikipedia

Ny Gemarà, amin' ny jodaisma, dia fivoasana sy fanaovana hevi-teny isan' ny mamorona ny Talmoda, dia ny Talmodan' i Babilôna sy ny Talmodan' i Jerosalema. Ny Misnà amin' ny teny hebreo sy ny Gemarà amin' ny teny arameana no mitambatra mamorona ny Talmoda. Ny Gemaràn' ny Talmodan' i Babilôna dia nosoratana tamin' ny fiteny arameana atsinanana fa ny Gemaràn' ny Talmodan' i Jerosalema kosa dia nosoratana tamin' ny fiteny arameana andrefana. Ny Gemaràn' ny Talmodan' i Babilôna no feno sy voalamina indrindra. Ny Gemarà dia ahitana ireo ady hevitra sy fanazavana ary famelabelarana ny Misnà, izay mampifandray azy mazava kokoa amin' ny Tanakh.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]