Flavio Jôsefa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Flavio Josefa)

I Flavio Jôsefa dia mpahay tantara jiosy teraka tamin' ny taona 32 taor. J.K. tao Jerosalema sy maty tao Rôma tamin' ny taona 100 taor. J.K. Tonga tao Rôma izy ka niaro ny Jiosy nataon' i Feliksa sesitany tao tamin' ny taona 66. Niverina tany Jodea izy ka nandrindra fikomiana tao. Tsy isan' ny niharan' ny sazin' ny Rômana noho izany izy fa narovan' i Vespasiano.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny maha Jiosy azy dia יוסף בן מתתיהו הכהן / Yosef ben Matityahu HaKohen (grika: Ἰώσηπος Ματθίου παῖς / Iôsêpos Μatthiou paîs) no anaran' i Flavio Jôsefa, izany hoe "Jôsefa zanak' i Matio Mpisorona".

Rehefa tonga tao amin' i Vespasiano tamin' ny taona 67 dia nafahana i Jôsefa Zanak' i Matio ary taorian' ny fahataperan' ny Fikomiana Lehibe dia nizaka ny zom-pirenena rômana izy ka nomena ny anarana rômana hoe Titus Flavius Iosephus, izay misy ampahan' anaran' ny mpiaro azy, dia i Titus Flavius Vespasianus (azo hagasina hoe "Tito Flavio Vespasiano"). Amin' ny teny grika izany dia Φλάβιος Ἰώσηπος / Flabios Iôsêpos.