Aller au contenu

Fivavahana grika taloha

Avy amin'i Wikipedia
Tempolin' ny andriamanitra Zeosy

Ny fivavahana grika taloha dia nahafaoka fitambarana finoana sy fombafomba ary fedrà, amin' ny endriky ny fivavahan' ny besinimaro sy ny fombam-pivavahana, izay nahitana fivavahana amin' andriamanitra maro. Ny fampiharana ny voan-kevitra môderina hoe "fivavahana" amin' ny kolontsaina tamin' ny Andro Taloha dia noheverina ho tsy tandrify an' ilay vanim-potoana. Ny Grika tamin' ny Andro Taloha dia tsy nanana teny handikana ny hoe "fivavahana" amin' ny heviny ankehitriny. Toy izany koa, tsy misy mpanoratra grika fantatra izay nanasokajy na ny andriamanitra na ny fanao ara-pivavahana ho "fivavahana" misaraka. I Herôdôtôsy kosa, ohatra, dia niresaka momba ny fananan' ny Helena (ny Grika) "fitoerana masina ho an' ny andriamanitra sy ny sorona ary fombafomba mitovy karazana".

Ny ankamaroan' ny Grika taloha dia nanaiky ny andriamanitra sy ny andriamanibavy ôlimpiana roa ambin' ny folo — i Zeosy, Herà, Pôseidôna, Demetera, Atenà, Aresy, Afrôdita, Apôlôna, Artemisy, Hefaistôsy, Hermesy, ary na Hestia na Diônisôsy — na dia mampiasa fiteny izay toa mihevitra ny fisian' ny Andriamanitra iray mihoa-draha ny ny filôzôfia toy ny stôikisma sy ny endrika platônisma sasany aza. Ny fanompoam-pivavahana tamin' ireo andriamanitra ireo, sy ny maro hafa, dia hita nanerana ny Tontolo Grika, na dia matetika aza izy ireo no manana anara-toetra samihafa izay manavaka ny andriamanitra tsirairay, ary matetika mazàna ny fiteleman' ny andriamanitra grika ny andriamanitra eo an-toerana.

Ny fanao ara-pivavahan' ny Grika dia niitatra hatrany ivelan' ny tanibe Grisia, hatrany amin' ny nosy maro sy morontsirak' i Iônia any Azia Minora, hatrany Magna Graecia (Sisilia sy Italia atsimo), ary hatrany amin' ny zanatany grika maro miparitaka any amin' ny tapany andrefan' ny Faritra Mediteraneana, toa an' i Massalia (Marseille). Ny fivavahana italiana maro tany am-boalohany toa ny fivavahana etroska dia nanakoan' ny fivavahana grika ary avy eo nisy fiantraikany amin' ny ampahany be amin' ny fivavahana rômana taloha.