Fitovoan' ny mpitondra fivavahana ao amin' ny Eglizy Katôlika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitovoan' ny mpitondra fivavahana ao amin' ny Eglizy Katôlika dia ny fitsipi-pifehezana ao amin' ny Eglizy Katôlika mitaky ny hanendrena ny lehilahy tsy manambady ihany ho eveka na ho pretra ao amin' ny Eglizy Latina (misy ny maningana manokana sy maningana any amin' ny Eglizy mizakatena sasany), na ho diakra. Any amin' ny fiangonana hafa mizaka tena manokana, ny eveka ihany no ampiharana ilay fitsipi-pifehezana. Araka ny voalazan’ i Jason Berry ao amin’ ny The New York Times, dia "tsy tenim-pinoana ny fitakiana ny fitovoana, fa lalàna ara-pivavahana nolaniana tamin’ ny Andro Antenatenany, satria nanahy i Rôma sao handova ny fananan' ny fiangonana sy hamorona dinastia ny zanaky ny mpitondra fivavahana."

Ny fiangonana katôlika manokana izay manaraka an' io fitsipika io indrindra dia ny Eglizy latina, izany dia tsy mihatra amin' ny Eglizy Katôlika Tatsinanana izay mamela ny lehilahy manambady hatokana ho pretra, afa-tsy ao amin' ny Eglizy Katôlika Etiôpiana. Ny fiangonana manokana rehetra ao amin' ny Eglizy Katôlika dia mitaky ny eveka tsy hanambady, tahaka ny fanaon' ny Fiangonana tamin' ny Andro Taloha satria ny eveka dia voafidy avy amin' ny moanina izay niaina fitovoana hatrany.

Amin' ity toe-javatra ity, ny "fitovoana" dia mitazona ny dikan' ny hoe "tsy manambady" tany am-boalohany. Na dia mety hifady firaisana ara-nofo aza ny manambady, dia heverina ho vokatry ny adidy hitandrina ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo tonga lafatra sy mandra-pahafaty ho an' ny Fanjakan' ny lanitra ny adidy maha mpitovo. Ireo mpanihana ilay fanao dia mahita ny fitovoan' ny mpitondra fivavahana ho toy ny "fanomezana manokana avy amin' Andriamanitra izay ahafahan' ny mpanompo masina mitoetra akaiky kokoa an' i Kristy amin' ny fo tsy voazarazara, ary afaka manokan-tena malalaka kokoa amin' ny fanompoana an' Andriamanitra sy ny namany".

Tamin' ny Febroary 2019 dia niaiky i Vatikàna fa tsy hoe voahaja foana io pôlitika io ary napetrak' i Vatikàna amin' ny fomba miafina ireo fitsipika ireo mba hikarakarana ny mpitondra fivavahana nandika ny voadin' izy ireo momba ny fitovoana. Ny mpitondra fivavahana sasany dia navela hihazona ny maha mpitondra fivavahana azy na dia avy nandika ny voady maha mpitovo nataony, ary na dia efa nanambady an-tsokosoko aza. Niaiky koa ny Prefen' ny Kôngregasiônan' ny mpitondra fivavahana, i Beniamino Stella, fa fomba roa mahazatra ho an' ireo mpitondra fivavahana ireo ny fitazonana ny maha-mpitondra fivavahana azy ny fanohanana ara-tsakafo sy ny famindrana ny zaza.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]