Aller au contenu

Fiteny valôna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny valôna dia fitenin' ny Ôily ampiasaina any Belzika sy any Frantsa, ary ahitana mpampiasa azy vitsyny any amin' ny ilany avaratra-atsinanan' ny fanjakana amerikanan' i Wisconsin. Eken' ny Vondrona Frantsain' i Belzika (frantsay: Communauté française de Belgique) ho fitenin' ny faritra teratany ity fiteny ity. Ao amin' io vondrona io ity fiteny ity dia fiteny manana velaran-tany be indrindra amin' ny fiteny rômana teratany (70 hatramin' ny 75 % amin' ny faritr' i Wallonie sy amin' ny mponina be indrindra (teo anelanelan' ny 1 000 000 sy 1 300 000 tamin' ny taona 1998, fa 360 000 kosa tamin' ny taona 2018).

Ny fiteny valôna dia ao amin' ny vondrom-piteny izay ahitana koa ny fiteny pikarda, ny fiteny frankômtey ary ny fiteny lôrena. Manana toetra maromaro iraisana ireo fiteny ireo, anisan' izany ny fidiran' ny singa sasany avy amin' ny fiteny jermanika. Ny fiteny valôna no fiteny be mpampiasa indrindra tao Belzika Rômana hatraty amin' ny Ady Lehibe Voalohany. Nanomboka teo dia nihena be ny fampiasana azy teo amin' ny fiainana andavanandro, ka ny fiteny frantsay no lasa fiteny lehibe indrindra any Wallonie. Fiteny ao amin' ny ampahany rômana amin' ny diôsezin' i Liège teo aloha ny fiteny valôna izay misy karazany efatra lehibe ary endrika manara-penitra iray.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]