Fiteny tetoma

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tetoma na fiteny tetona dia fitenin' ny mponina ao amin' ny nosy Timôro, sady fitenim-pirenen' i Timôro Atsinanana, ary anisan' ny fiteny ôfisialy roa ao amin' ilay firenena, miaraka amin' ny fiteny pôrtogey. Tamin' ny taina 2010 ity fiteny ity dia nampiasain' ny Timôrey Tatsinanana miisa 800 000 any ho any, na 85 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena, sady ampiasain' ny Indôneziana miisa 400 000 any ho any ao Timôro Andrefana. Ny fiteny tetoma dia anisan' ny vondrona afovoan' ny sampana malaiô-pôlineziana amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana.