Fiteny santalỳ

Avy amin'i Wikipedia
Ireo fanjakana any India manao ny fiteny santalỳ ho fiteny ôfisialy fanampiny: i Jharkhand sy i Bengal Andrefana

Ny fiteny santalỳ dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny monda ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika, mifandray amin' ny fiteny hô sy ny fiteny mondary. Ny fiteny santalỳ dia fitenin' ny Santalỳ na Santaly, vondrona teratany any India.

Olona enina tapitrisa eo ho eo no miteny izany any India, any Bangladesy, any Nepaly ary any Botàna. Mipetraka any India ny ankamaroan' ny mpiteny, any amin' ireto fanjakana ireto: Jharkhand, Assam, Bihar, Odisha, Tripura ary Bengal Andrefana.

Manana abidy manokana izy io, antsoina hoe abidy santalỳ, saingy ambany dia ambany ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, eo anelanelan' ny 10 sy 30 %. Ny fiteny santalỳ dia azo soratana amin' ny fampiasana ny alfasilabera ôdia, devanagary na ny alfasilabera bengaly; nandritra ny vanim-potoana britanika dia nosoratana tamin' ny abidy latina mihitsy aza izy io.