Fiteny samôana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny samôana dia fiteny pôlineziana ampiasaina any amin' ireo nosy Samôa andrefana sy Samoa Amerikanina. Fiteny ôfisialy any amin' ireo firenena roa ireo izy, miaraka amin' ny fiteny anglisy. Any amin' ny fari-tany pôlineziana hafa koa dia ampiasana azy io, indrindra fa ao amin' ireo nosy Tokelau (Zelanda Vaovao). Fitenin-drenin’ ny olona miisa 300 000 izy. Amin' ny teny samôana dia atao hoe Gagana faʻa Sāmoa na Gagana Sāmoa (vakina hoe: ŋaˈŋana ˈsaːmoa) io fiteny io.