Fiteny maaniany

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny ma'aniany)
Vehivavy maaniany manao fety
Io miloko mena io i Kalimantàna Afovoany

Ny fiteny maaniany na fiteny maniany dia fiteny aostrôneziana tenenina any Indônezia, ao Kalimantàna Afovoany, ao amin' ny nosy Bôrneô. Ao amin' ny sampana malaiô-pôlinezianan' ny fiteny aostrôneziana ny fiteny maaniany. Ny fiteny maaniany dia iray amin' ireo fiteny baritô atsinanana, izay vondrom-piteny malaiô-pôlineziana andrefana. Ny fiteny malagasy no akaiky indrindra azy raha ny voambolana fototra no heverina. Miisa eo amin'ny 150 000 eo ny olona miteny azy, dia ireo vahoaka maaniany (zana-bondron' ny vahoaka daiaka) izay monina ao Kalimantàna afovoany, any Indônezia. Misy fifanahafana akaiky dia akaiky amin' ny fiteny barito atsinanana toy ny fiteny pakô (77 %) sy ny fiteny dosóna vito (75 %) ny fiteny maaniany.

Fampitahana voambolana[hanova | hanova ny fango]

Maaniany Malagasy
isa iray na isa
dime dimy
uran orana
apui afo
mate-anrau masoandro
babui lambo

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]