Fiteny loksemborgiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny loksemborgiana na fiteny loksemborzoà dia fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny fianakaviam-piteny jermanika ampiasaina indrindra any Loksemborga sy any amin' ny kaominina sasany mifanila aminy any Belzika sy Frantsa ary Alemaina. Ny fiteny ampiasaina amin' ny fitantanan-draharaham-panjakan' ilay firenena dia ny fiteny loksemborgiana sy ny fiteny frantsay ary ny fiteny alemàna (fiteny voalohany amin' ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra). Araka ny voalazan' ny lalàna dia tsy manana fiteny ôfisialy i Loksemborga. Nampanarahim-penitra tamin' ny fomba ôfisialy ny tsipelin' ny teny loksemborgiana tamin' ny taona 1976. Tamin' ny taona 1984 ilay fiteny dia nahazo ny satan' ny fitenim-pirenena tokana ao Loksemborga.