Fiteny kimera

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
kimera
ភាសាខ្មែរ
[pʰiːəsaː kʰmaːe]

Isan'ny mpiteny 14,7 — 20,6 tapitrisa
Faritany Flag of Cambodia.svg Kambodia, Flag of Vietnam.svg Vietnam, Flag of Thailand.svg Tailandy, Flag of the United States.svg Etazonia, Flag of France.svg Frantsa, Flag of Australia.svg Aostralia
Sata Flag of Cambodia.svg Kambodia (teny ofisialy)

Ny fiteny kimera dia fiteny voasokajy ao amin'ny fianankavian'ny fitney môn-khmer ao amin'ny fiteny aostrô-aziatika. Any Kambodia (Cambodge) sy manodidina izy no tenenina.

Io fiteny io dia fiteny tsy manara-peo ohatra ny fitenin'ny firenena manodidina azy.

Misy 13 tapitrisa eo ho eo ny isan'ny mpiteny kimera.

Fanoratana ny fiteny kimera[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny kimera dia mampiasa abidy ho azy manokana.

Ny abidy kimera dia manana renifeo 33 ary zanapeo 23 (na 24 arakaraky ny mpanoratra). Fa mbola betsaka nohon'io ny isan'ny zanapeo ; mba tsy ho betsaka ny isan'ny zanapeo, nahita fika iray ny mpamorona ilay abidy.

Ny renifeo iray dia ao amin'ny sokajy roa, maivana na mavesatra. Raha ao amin'ny sokajy voalohany ny zanapeo iray, mamoaka feo manokana izy ary raha ampiaraha aamin'ny zanapeo avy amin'ny sokajy faharoa izy, mamoaka feo hafa indray izy. Dikan'izany, ny zanapeo soratana sia manana fanononana roa (afatsy roa na telo mitazona ny feony)

Ny ankabeazan'ny renifeo (12) dia atao indroa (12x2=24) fa tsy izy rehetra (33-24=9). Misy tsindrim-peo ampiasaina mba hisolo sokajy ary izy io afahana mandrakotra ny fahefana rehetra io fomba io.

Rehefa tsy misy zanapeo miaraka amin'ila renifeo, ny feo avoaka dia an'ilay zanapeo ao anaty (tsy soratana matetika). Ny renifeo maivana dia manana zanapeo anaty mitovy amin'ny /a/ ary ny renifeo mavesatra dia mamoaka zanapeo manakaiky ny /o/. Kanefa, tsy afaka ampiasaina irery ny zanapeo, tsy maintsy miaraka amina renifeo iray izy.

Miaraka amin'ny zanapeo anaty, manome 25 x 2 = zanapeo 50, mety ngeza be izany. Tsy mitovy amin'ny mpandinika teny ny dikan'ny zanapeo any amin'ny kimera. Ohatra : o fohy, o lava, o arahan'ny m, o arahan'ny h, o arahana fijanonana dia manao zanapeo dimy. Manana zanapeo misosona maromaro koa ilay fiteny.

Miampy amin'izany, ny abidy kimera koa dia manana zanapeo lazaina hoe malalaka, noho izany dia tsy voatery ampiarahana amina renifeo izy. Manana feom-baninteny manokana zareo ary tsy ao anatin'ny abidy. Mety ho voafafa izy ireo, ary efa nosoloina ny sasany amin'izy ireo. Mety fafana izy, fa etimôlôjika sy ara-tantara ny tombon-tsoany.

Ny ankabeazan'ny renifeo (afatsy ny ng) dia hita amin'ny fiteny frantsay na dia hoe tsy dia mitovy tsara aza ; kanefa ny fiteny frantsay sy ny fiteny malagasy dia manana feo tsy fantatra amin'ny fiteny kimera kanefa matetika ampiasaina amin'ireo fiteny ireo (ny f sy ny z ohatra).

Rehefa misy renifeo roa ny vaninteny iray, atao kely ny hangezan'ny renifeo faharoa azy lazaina hoe "renifeo tongotra" satria eo an-tongon'ny voalohany no misy azy.

Mety hita sarotra io fomba fanoratana io. Ny frantsay tamin'ny anivon'ny taonjato faha 20 efa nanandrana nanao abidy latina an'i fiteny kimera, fa tsy vitany no nandidy azy noho ny isan'ny zanapeo be loatra. Vitan'ny ankizy tsara no mampiasa io fanoratana io, dikan'izany, na dia misy hebakebaka aza, mety tsara ho an'ny fiteny kimera io fanoratana io.

Abidy[hanova | hanova ny fango]

Renifeo
Litera Feo Litera Feo litera feo litera feo litera feo
kɑɑ khɑɑ kɔɔ khɔɔ ŋɔɔ
cɑɑ chɑɑ cɔɔ chɔɔ ɲɔɔ
dɑɑ tɑɑ dɔɔ thɔɔ nɑɑ
tɑɑ thɑɑ tɔɔ thɔɔ nɔɔ
bɑɑ pɑɑ bɔɔ pɔɔ mɔɔ
jɔɔ rɔɔ lɔɔ vɔɔ
sɑɑ hɑɑ lɑɑ ʔɑɑ

Rafi-peo[hanova | hanova ny fango]

Ny sistema ara-drafipro dia hosoratana eto arakaraka ny fanononana ilay fiteny, fa tsy hoe ahoana no manoratra azy amin'ny abidy kimera.

Feo sy fanononana[hanova | hanova ny fango]

Renifeo[hanova | hanova ny fango]

Eo amolotra Dental[1]/Alveolar Palatal Velar Glottal
Plosive p (pʰ) t (tʰ) c (cʰ) k (kʰ) ʔ
Implosive ɓ ~ b ɗ ~ d
Nasal m n ɲ ŋ
Liquid r l
Fricative s h
Approximant ʋ j

Zanapeo[hanova | hanova ny fango]

Zanapeo kimera voalohany[2]
Lava ɛː ɨː əː ɔː
fohy i e ɨ ə ɐ a u o
Zanapeo misosona lava iə̯ ei̯ ɐe̯ ɨə̯ əɨ̯ ɐə̯ ao̯ uə̯ ou̯ ɔə̯
Zan. mis. fohy eə̯̆ uə̯̆ oə̯̆
Zanapeo kimera faharoa[3]
Lava e̝ː ɛː ɯː ə̝ː əː o̝ː ɔː
Fohy i e ɛ ɯ ə a u o ɔ
Zan. mis. lava iə̯ aɛ̯ aə̯ o̞u̯ ao̯
Zan. mis. fohy ɛə̯ ʷɔ

Ny tena isan'ny zanapeo ampiasaina dia miova arakaraka ny fiteny. Ny zanapeo lava sy fohy dia voaavaka amin'ny halavany.

Rafitry ny vaninteny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny kimera dia matetika vita vaninteny iray na vaninteny iray sy tapany, ny tsindrim-peo dia tonga eo amin'ny vaninteny farany. Ny teny manana vaninteny iray sy tapany dia manana vaniteny roa amin'ny lafin'ny ara-drafi-peo, anatin'izany tranga izany, ny vaninteny voalohany dia afaka fantarina mialoha. Ny teny manana vaninteny roa dia matetina nindramiina, na vokatry ny fametrahana tsirinteny. Azo atombohana amin'ny iray amin'ny gropy renifeo miroa 85 ny teny miaraka amin'ny fiovana ara-drafipeo manaraka :


p ɓ t ɗ c k ʔ m n ɲ ŋ j l r s h ʋ
p pʰt- - pʰc pʰk- - pʰn- pʰɲ- pʰŋ- pʰj- pʰl- pr- ps-
t tʰp- tʰk- - tʰm- tʰn- tʰŋ- tʰj- tʰl- tr- tʰʋ
c cʰp- cʰk- - cʰm- cʰn- cʰŋ- cʰl- cr- cʰʋ-
k kʰp- kʰt- - kʰc - kʰm- kʰn- kʰɲ- - kʰj- kʰl- kr- ks- kʰʋ-
s sp- st- - sk- - sm- sn- - - sl- sr-
ʔ ʔʋ-
m mt- - mc - mʰn- mʰɲ- ml- mr- ms- mh-
l lp- lk- - lm- - lh- -

Ny vaninteny dia manomboka amin'ireo renifeo na gropy renifeo ireo, arahan'ny zanapeo lohany. Ny fanatrohana anaty gropy dia alôfônika. Rehefa fohy lny halava ny zanapeo lohany, misy renifeo famaranana izy.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. http://hmongrp.wisc.edu/IPPL%20Khmer/inetpub/wwwroot/ipa/khmer/khmer.html
  2. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte ; aucun texte n’a été fourni pour les références nommées SIDWELL
  3. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte ; aucun texte n’a été fourni pour les références nommées ELL