Fiteny kannada
Ny fiteny kannada (ಕನ್ನಡ), na sirigannada dia fiteny diravidianina any atsimon'i India. Izy ny fiteny tena antitra indrindra amin'ny fiteny diravidianina. Teny ofisialy ny Karnataka ny fiteny kannada. Misy olona 45 tapitrisa no mampiasa ny fiteny kannada any India
Ilay fiteny[hanova | hanova ny fango]
Efa nisy 2500 taona mahery izay no nisy ny fiteny kannada, ary soratana amin'ny alphasyllabaire kannada izy. Noforonina tamin'ny taonjato faha roa io alphasyllabaire io. Mitovy endrika amin'ny fiteny diravidianina hafa ny fivoaran'ny fiteny kannada, indrindra amin'ny fiteny tamil sy ny fiteny telugu. Tamin'ny taonjato farany, nanana fianjadiana tamin'ny fiteny sanskrity ny fiteny kannada sy ny fiteny telugu.
Misy divergence ny fiteny soratana sy ny fiteny tenenina, ary samihafa ny fiteny kannada arakaraky ny faritra. Manana tenim-paritra 20 ny fiteny kannada. Ny tena be mpiteny indrindra dia :
- ny fiteny kodava (any amin'ny faritra Coorg) ;
- ny fiteny kunda (any amin'ny faritra Kundapura) ;
- ny fiteny havyaka (fiteny tenenin'ny Havyaka Brahmana any amin'ny faritra Dakshina Kannada, any amin'ny faritra Uttara Kannada, any amin'ny faritra Shimoga, ary any amin'ny faritra Sagara et dans l'Udupi) ;
- ny fiteny are bhashe (any amin'ny faritra Sullia, any Dakshina Kannada) ;
- ny fiteny soliga kannada ;
- ny fiteny badaga kannada ;
- ny fiteny gulbarga kannada ;
- ny fiteny hubli kannada.
Sata ofisialy[hanova | hanova ny fango]
Ny fiteny kannada dia anisan'ny teny ofisialin'i India ary teny ofisialin'ny faritan'i Karnataka. Misy mpiteny kannada ihany koa any amin'ny faritra tamil nadu, fa tsy teny ofisialy io teny io any.
Soratra[hanova | hanova ny fango]
Ny kannada dia manana alphasyllabaire hanoratana azy. Misy litera 52 ilay alphasyllabaire. Mitovitovy endrika amin'ny fomba fanoratana hafa any India ny soratra kannada. Satria voasintona avy amin'ny soratra Brahmî ny soratra kannada ; somary sarotsarotra ihany ny manoratra amin'io soratra io, manana litera tàpany izao ohatra ny alphasyllabaire kannada, ary manana ligatiora manokana na tsindrim-peo ihany koa izy. Noho izany, mihoatra be ny litera 52 ny abidy ny isan'ny eva (symbole). Afaka manatambatra litera maro koa ny mpanoratra raha te-hanao ottakshara. vaninteny iray ny eva iray.
Misy sokajy telo ny eva :
- ny swara : zanapeo, mety fohy, lava kely na lava ;
- ny vyanjana : ny renifeo ;
- ny yogavaaha : ny vaninteny
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]
- ((kn)) Wikipedia miteny kannada
- ((en)) Hianatra ny fiteny kannada
- ((en)) Fehezanteny amin'ny fiteny kannada