Fiavian' ny Pastona

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiavian'ny Pastona)

Ny fiavian' ny Pastona dia nanaovan' ny mpikaroka petra-kevitra. Ny Pastona dia vahoaka iraniana betsaka mozilmana avy any Afganistàna sy Pakistàna, izay manaraka kolontsaina sy fomba fivavahana azy manokana sady efa nisy talohan' ny finoana silamo, dia ny pastoaly (pashtuwali). Ny fiheverana ny Pastona ho taranak' ireo foko folon' i Israely very dia tsy mbola voaporofo ara-tantara azo tsapain-tanana[1] [2]. Maro ny amin' ny vahoaka Talibàna no avy amin' ny foko poastona maro sady tsy voatery miala amin' ny finoany ho taranaky ny Israelita [3] [4]. Ny anarana hoe Ysef Zai amin' ny fiteny pastodia midika hoe "zanak' i Jôsefa" [4].

Nisy fikarohana momba ny fototarazo dia mitsipaka ny mety hisian' ny fifandraisan' io vahoaka io amin' ny Jiosy nefa ny fikarohana ara-pototarazo hafa dia miaiky ny mety hisian' izany fifandraisana izany[5].

Tamin' ny taona 2010 dia nilaza ny gazety The Guardian fa ny governemanta israeliana dia mihevitra ny hamatsy vola ny fikarohana ara-pototarazo mba hijerena ny fahamarinan' ny rohy ara-pototarazo eo amin' ny Pastona sy ny foko verin' i Israely. Nanambara ilay lahatsoratra fa ny porofo ara-tantara sy ara-pitantarana dia manoro fatratra ny fisian' izany rohy izany, nefa tsy misy porofo ara-tsiansa hita na dia iray aza. Ny antrôpôlôga israeliana malaza sasany dia mihevitra fa amin' ireo vondrona maro eran-tany izay milaza fa misy rohim-pihavanana amin' ny foko folo verin' i Israely dia ny Pastona na Patàna no tena mandresy lahatra[6].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Afhganistan Ethnic Groups". Library of Congress Country Studies. 1997. Tahiry tamin'ny 26 Jolay 2013.
  2. "The People - The Pashtuns". Center for Applied Linguistics (CAL). 30 Jona 2002. Tahiry tamin'ny 5 Janoary 2007. Notsidihina tamin'ny 29 Oktobra 2010.
  3. Weil, Shalva (2008). "The Pathans of Afghanistan and their Israelite Status". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1230–1231. ISBN 978-1-85109-873-6.
  4. 4,0 et 4,1 Weil, Shalva (7 Septambra 2011). "The Israelite Connections of the Taliban". ETH Zurich Center for Security Studies.
  5. Entine, Jon (2007). Abraham's children : race, identity, and the DNA of the chosen people (1st ed.). Grand Central Publishing. p. 149. ISBN 978-0446580632.
  6. McCarthy, Rory (17 Janoary 2010). "Pashtun clue to lost tribes of Israel". the Guardian.