Fiaran'ny Fanekena
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny Fiaran'ny fanekena dia ilay vata nitahirizana ny Didy folo nomena an'i Mosesy (na Moizy) teo amin'ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia), araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly (Deoteronomia 10.3-5). Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אֲרוֹן הָעֵדוּת / Aron ha'Edout izay midika hoe "fiaran'ny fijoroana vavolombelona" na "vatan'ny fijoroana vavolombelona".
Io vata io dia manana endrika kilavalava sady voarakotra volamena. Ny tampony dia misy sarin-kerobima roa, ka heverina ho sahala amin' ny sezafiandrianana, fitoeran' Andriamanitra eto an-tany (Eksodosy 25.22). Napetraka tao an-tempolin'i Jerosalema ao amin'ilay efitra atao hoe "Masin'ny masina" na "Masina indrindra" ny Fiaran'ny fanekena (1Mpanjaka 8.1-8).