Hankany amin'ny vontoatiny

Fehibe

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fehiben-tany)
Ny fehibe

Amin' ny jeôgrafia, ny fehibe na fehiben-tany dia fehintany iray, 10 002 km miala amin' ny tendrontany avaratra na atsimo.

Ny fehibe dia marika manasaraka ny ila bolantany avaratra sy ny ila bolantany atsimo. Ny laharam-pehintan' ny fehibe dia zero. Izy io koa dia faribolana, ny faribolana ngeza indrindra mijadona amin' ny laharan-jara hasina.

Sarintany maneho ny fehibe.

Laharam-pehintany faha-0 ny fehibe. 40 075 km ny halavany. 10 002 km ny halavirany amin' ny tendrontany. Ny tena toerana misy ny fehibe dia miovaova kely tsindraindray. Mijadona amin' ny teza fihodinan' ny Tany ny lemaky ny fehibe.

Ny tanan' ny Tany, raha refesina avy eo amin' ny fehibe, dia mirefy 6 378 140 m araka ny Fikambanana Iraisam-Pirenena momba ny Hainkintana, ary noafohezin' ny Firaisana Jeôdezika sy Jeôfizika Iraisam-Pirenena ho 6 378 137 m izany taty aoriana, io izao no sanda ampiasain' ny foibe jeôdezika WGS 84. Ao amin' ireo môdely ireo, ny halavan' ny fehibe dia 2π ampitomboiba amin' ny halavan' ny tanan' ny Tany, manome valiny 40 065 035,535 m ho an' ny voalohany ary 40 065 016,686 m ho an' ilay faharoa (nohafohezina hatramin' ny milimetatra).

Vokatra ara-kainkintana

[hanova | hanova ny fango]
Ny fehibe (tsipika mavo) amin' ny sôlstisn' ny Desambra. Miankavia ny lalan' ny Masoandro.

Mandritry ny taona iray dia mandalo eo amin' ny zenitan' ny fehibe indroa ny Masoandro, mandritra ny ekinôksa amin' ny volana Marsa sy amin' ny volana Septambra. Ny hafaingam-pilentehan' ny Masoandro eo amin' ny faritra manodidina ny fehibe mandritra ny ekinôksa dia anisan' ny haingana indrindra eto an-tany.

Ny halavan' ny andro amin' ny teôria dia adiny roa ambin' ny folo, fa noho ny "réfraction" ny soso-drivotra, miova kely fotsiny ny faharetana.

Ny toetanim-pehiben-tany

[hanova | hanova ny fango]
Faritra manana toetanim-pehibe

Mafana sy mando ny toetanim-pehiben-tany na toetany ekoatôrialy izay hita manodina ny fehiben-tany: tsy mihoatra ny 35 °C ny maripana noho ny fietona, nefa tsy maintsy ambonin’ ny 18 °C noho ny fihazonan’ ny rahona ny hafanana. Tsy ny faritra rehetra andalovan' ny ekoatera anefa no manana toetany ekoatôrialy fa faritra sasantsasany ihany. Tsy dia misy fiovany firy ny maripana mandritra ny andro sy mandritra ny taona. Misy fizaràn-taona roa manorana izany faritra izany, manodidina ny volana Marsa sy Septambra. Ao amin’ izany faritra izany no ahitana ny toerana be ala indrindra eto an-tany, dia ny ala any Amazônia any Amerika Atsimo sy ny ala any Indônezia any Azia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]