Farihy Lehibe (Amerika Avaratra)
Fiseho

Ny Farihy Lehibe, izay atao amin' ny teny anglisy hoe Great Lakes dia vondron' ny farihy dimy any Amerika Avaratra, eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Kanada sy i Etazonia. Ny farihy dimy mitambatra ao dia ny Lake Superior, ny Lake Michigan, ny Lake Huron, ny Lake Erie ary ny Lake Ontario. Vondrom-parihin-dranomamy lehibe indrindra eran-tany, izay manana velarana 245 060 km2 sy manana hadiry 22 735 km3, izy ireo. Mifandray amin' i St. Lawrence River, izay fivoahan' ny ranon' ny farihy Ontario, ilay vondrom-parihy izay no rafi-dranomamy lehibe indrindra eran-tany, aorian' ny farihy Baikal any Rosia, izay miantoka ny 18 % amin' ny tahirin-drano maneran-tany.