Hankany amin'ny vontoatiny

Farihin' Anosy

Avy amin'i Wikipedia
Farihin' Anosy ao Antananarivo

Ny Farihin' Anosy, dia farihy ao Antananarivo, faritanin' i Antananarivo, ao amin' ny faritra Analamanga, eto Madagasikara. Eo andrefan' ilay farihy no misy an' Ampefiloha, Isoraka eo avaratra-andrefany ary i Mahamasina eo avaratra.

Ny honahona dia nosoloana ny farihin' Anosy tamin' ny andron’ ny mpanjaka Radama I. I James Cameron no nanamboatra ilay farihy izay nanome endrika fo. Eo afovoan' io farihy io dia misy nosy kely iray mifandray amin' ny tanàna amin' ny alalan' ny andilan-tany kely. Ao amin' io nosy io dia misy tsangambato naorin' ny Frantsay ho fahatsiarovaa ireo lavo tamin' ny Ady Lehibe Voalohany, dia ny Monument aux Morts nataon' ny mpanao sokitra Barberis sy ny mpanao mari-trano Perrin tamin' ny taona 1927. Tamin' ny andron-dRadama I dia nisy orinasa mpanamboatra vanjan-tafondro teo amin' ilay nosy. Taty aoriana dia nisy trano fonenana amin' ny fahavaratra ho an' ny mpanjakavavy Ranavalona I teo.

Eo amoron' ilay farihy dia misy hazo zakaranda (Jacaranda) izay mamony amin' ny Oktobra sy Novambra. Niala sasatra teo amoron' ilay farihy ny vanofotsy (Ardea alba). Eo amin' ny morony atsimo no misy toeram-piasan' ny mpanety. Amin' ny fetin' ny fahaleovantenam-pirenena, amin' ny 26 Jona, dia karakaraina eny amin' ilay farihy isan-taona ny fampisehoana afomanga.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]