Faribolana Arktika
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Faribolan-tendrontany avaratra)
Ny faribolan-tendrontany Arktika na faribolana Arktika dia faribolana any amin' ny faritra manodidina sy mahafaoka ny tendron-tany avaratra izay mampisy ny fotoana tsy mampiposaka ny Masoandro amin' ny ririnina sy tsy mampilentika ny masoandro amin' ny fahavaratra any amin' ny faritry ny tendron-tany avarara. Ny zorom-pehin-tany mifanindry amin' io faribolana io dia mitovy amin' ny zorom-pitongilanan' ny tezam-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany raha mitaha amin' ny tezan-danitra. Ny elanelana ara-joron' ny faribolana Arktika amin' ny tendron-tany avaratra dia 23° 26' 10,3'' (tamin' ny volana Janoary 2020). Noho izany, ny zorom-pehin-taniny dia 66° 33' 49,7".
Ireto ny firenena andalovan' ny faribolana Arktika;
- Nôrvezy (mamakivaky nosy maro ilay faribolana, ka isan' izany i Sørnesøya, i Storselsøy ary i Rangsundøya)
- Soeda
- Finlandy
- Rosia
- Etazonia (Alaska)
- Kanada (Yukon, Territoires du Nord-Ouest, Nunavut, isan' izany ny nosy Baffin)
- Danemarka (Groenlandy)
- Islandy (Grímsey)