Aller au contenu

Fanjakana-firenena

Avy amin'i Wikipedia
Sary mampiseho "Fanaovan-tsonia ny Fifanarahana tao Münster", izay anisan' ny fifanarahana nitondra mankany amin' ny Fiadanan' i Westphalia, izay nahaterahan' ny atao hoe "fanjakana-firenena".

Ny firenena-fanjakana dia karazana fanjakana izay iheverana ny ankamaroan' ny mponina ao aminy fa anisan' ny vahoaka na foko tokana. Noho izany ny firenena-fanjakana dia mifototra amin' ny fifanandrifian' ny toetra mampiavaka, ny maha anisan' ny vondrona iray, ny firenena, ary ny fiheverana araka ny lalàna, ny fisian' ny endrika fiandrianam-pirenena sy andrim-panjakana ara-pôlitika sy ara-pitantanana izay mampihatra izany, dia ny fanjakana izany. Raha tsy misy izany fifanandrifiana izany, dia fanjakana maro vahoaka na empira, izay fiseho roan' ny fandaminana ara-pôlitika mety amin' ny fiaraha-monin' ny vahoaka na foko madinika maro, no misy.

Ny firenena-fanjakana dia vondron' olona ara-pôlitika izay ahitana fanjakana, fandaminana ara-pôlitika misy foibe manapaka ny mponina ao anatin' ny fizaran-tany iray, sy ny firenena, izay vondrom-piarahamonina mifototra amin' ny toetra mampiavaka iraisana. Mety hahitana zanaka am-pielezana na mpitsoa-ponenana any ivelany ilay firenena-fanjakana; ny firenena sasany araka io heviny io dia tsy manana fanjakana anjakan' ny vahoaka na foko tokana.

Amin' ny heviny ankapobeny dia firenena lehibe sy manana ny fiandrianany ara-pôlitika na fizaràn-tany ara-pitantanana ny firenena-fanjakana. Azo aseho ny fahasamihafana misy eo amin' ny firenena-fanjakana sy ireto manaraka ireto:

  • ny empira, izay vondrona ara-pôlitika foronin' ny fizaràn-tany maro sy vahoaka na maro, mazàna naorina tamin' ny alalan' ny ady sy fakàn-tany ary voamariky fisian' ny foibe sy ny faritra eo ambany fifehezany any an-tsisiny.
  • ny fanjakana maro vahoaka, izay tsy misy vahoaka na foko na vondrona ara-kolontsaina manjakazaka (ny fanjakana toy izany koa dia azo heverina ho fanjakana maro kolontsaina arakaraka ny ambaratongam-piraisana ara-kolotsainan' ny vondrona isan-karazany).
  • ny tanàna-fanjakana, izay sady kely noho ny "firenena" amin' ny heviny hoe "firenena manana fiandrianana" sady mety na tsia hanjakan' ny ampahany amin' ny "vahoaka" tokana na izy manontolo amin' ny hevitr' io teny io ara-poko na ara-kolontsaina.
  • ny kônfederasiôna, izay ligin' ny fanjakana maromaro samy manana ny fiandrianany, izay mety hahitana firenena-fanjakana maro na tsia.
  • ny fanjakana mizaka tena, izay mety ho fanjakana-firenena na tsia, sady mizaka tena amin' ny ampahany ihany ao anatin' ny federasiôna lehibe kokoa (ohatra, ny sisintanin' i Bôsnia-Herzegôvina dia voafaritra amin' ny tsipika ara-poko, fa ny an' i Etazonia tsy toy izany).