Fandringanana ny zaza tsy manan-tsiny

Avy amin'i Wikipedia
Ny fandripahana ny Tsy Manan-Tsiny, sary nataon' i Nicolas Poussin (1625-1629).

Ny fandripahana ny zaza tsy manan-tsiny dia tranga iray ao amin' ny fitantaran' ny Filazantsaran' i Matio (2:16–18) momba ny fahaterahan' i Jesoa izay nandidian' i Herôda Lehibe, mpanjakan' i Jodea, ny hamonoana ny zazalahy rehetra roa taona no ho midina atao amin' ny manodidina an' i Betlehema. Heverin' ny Kristiana sasany ho martiora voalohany ireo "Masina Tsy Manan-Tsiny" ireo ka hajainy, nefa ny ankamaroan' ny mpanoratra ny tantaram-piainan' i Herôda, ary angamba ny ankamaroan' ny manam-pahaizana momba ny Baiboly amin' izao fotoana izao dia mihevitra ilay fitantarana ho tsy ara-tantara fa noforonina.