Aller au contenu

Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917 dia taratasy misokatra misy teny miisa 67, tamin' ny 2 Nôvambra 1917, nosoniavin' i Arthur Balfour, sekreteram-panjakana britanika misahana ny Raharaham-bahiny (the Foreign Secretary) tao amin' ny governemantan' i David Lloyd George. Izany taratasy izany dia nosoratana ho an' i Lord Lionel Walter Rothschild (1868-1937), olo-malaza tao amin' ny vondrom-piarahamonina jiosy britanika ary mpamatsy vola ny hetsika ziônista, mba hampitainy indray amin' ny Federasiôna Ziônista (anglisy: Zionist Organization; hebreo: הַהִסְתַּדְּרוּת הַצִּיּוֹנִית / HaHistadrut HaTsionit)[1].

Tamin' ny alalan' ity taratasy ity ny Fanjakana Mitambatra dia nanambara ny fanohanany ny fananganana tetikasam-pirenena "akanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy" ao Palestina (ny amin' ny teny anglisy: "a national home to the Jewish people"). Ity fanambaràna ity dia heverina ho iray amin' ireo dingana voalohany amin' ny fananganana ny Fanjakan' i Israely. Namaritra ilay taratasy fa ity tetikasa ity dia tsy tokony hanitsakitsaka ny zo sivily sy ara-pivavahan' ny vahoaka tsy jiosy ao amin' ilay fizarà-tany, na ny zo na ny sata ara-pôlitikan' ny Jiosy any amin' ny firenena hafa.

Tany Frantsa, ny Minisiteran' ny Raharaham-bahiny dia nandray andraikitra mitovy amin' izany tamin' ny volana Jona 1917 tao amin' ny taratasy nalefan' i Jules Cambon ho an' i Nahum Sokolow.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ity federasiôna ity dia lasa nantsoina hoe Fikambanana Ziônista Maneran-Tany (anglisy: World Zionist Organization; hebreo: הַהִסְתַּדְּרוּת הַצִּיּוֹנִית הָעוֹלָמִית; / HaHistadrut HaTzionit Ha'Olamit) taty aoriana