Fanambadiana mandrakizay
Ny fanambadiana mandrakizay na fanambadiana selestialy dia fotopampianarana izay milaza fa ny fanambadiana dia afaka maharitra mandrakizay any an-danitra. Antsoina koa hoe fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain' ny fanambadiana na fanambadian' ny Tempoly koa izany. Fampianarana tsy manam-paharoa an' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany sy an' ny sampana maro ao amin' ny fondamentalisma môrmôna izany.
Testamenta Vaovao
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Matio 22:28–30, i Jesoa dia nanontaniana momba ny fitohizan' ny fanambadiana aorian' ny fahafatesana ary namaly izy fa aorian' ny fitsanganan' ny maty dia "tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy." Ny Môrmôna dia tsy mandika ny tenin' i Jesoa ho midika hoe "tsy hisy fanambadiana aorian' ny fitsanganana amin' ny maty, fa hoe: ny fanambadiana dia tsy hatao aorian' ny fitsanganana amin' ny maty, satria ny fanontaniana rehetra momba ny toe-panambadiana dia tsy maintsy voalamina mialoha izany fotoana izany”. Noho izany dia mino ny Môrmôna fa ny olona mety maty ihany no mety ho lohahevitry ny ôrdônansin' ny fanambadiana mandrakizay; ny olombelona dia afaka mandray ny ôrdônansy ho an’ ny tenany na amin' ny alalan' ny fisoloan-tena an' ireo izay efa nodimandry.